تجاوز إلى المحتوى

TARANJA - TANTARAN'NY MPAMINANY (S.A.W)

32 lessons · Select a question to read the answer

Your progress in this topicTrack completed lessons on this device
Choose how to study:
1F1 : Inona no firazanan'ny Mpaminany Mouhammad (S.A.W)?

V1 : Izy dia Mouhammad Ibn Abdillahi Ibn Abdoul-Mouttalib Ibn Hashim, avy amin'ny foko Couraich ary Couraich dia avy amin'ireo arabo, ary ireo arabo dia avy amin'ny taranak'i Ismail (A.S), ary i Ismail (A.S) avy amin'i Ibrahim (A.S) tso-dranon'i Allah anie ho azy ireo.

Open lesson
2F2 : Iza no anaran'ny renin'i Mpaminanintsika (S.A.W)?

V2 : Amina Binti Wahab.

Open lesson
3F3 : Ovina no maty ny rainy?

V3 : Maty tao Madina ny rainy fony izy mbola tao am-bohoka, tsy mbola teraka.

Open lesson
4F4 : Ovina no teraka i Mpaminany Mouhammad (S.A.W) ?

V4 : Teraka tamin'ny taonan'ny Elefanta, tamin'ny andro Alatsinainy, Volana Rabiuol-Awal.

Open lesson
5F5 : Taiza ny tanàna nahaterahany?

V5 : Tao Makkat.

Open lesson
6F6 : Iza ireo vehivavy nampinono sy nitaiza azy akoatry ny reniny?

V6 : i Anabavin-dRainy antsoina hoe : Oummou Ayman.

i Anabavin'i Abou Lahab antsoina hoe : Thouwiba.

- i Halima As-Saadia.

Open lesson
7F7 : Ovina nahafaty ny Reniny?

V7 : Teo amin'ny fahaenina ny taonany no maty ny Reniny, Ka ny Raibeny antsoina hoe: Abdoul-Mouttalib no nitaiza azy taorian'io.

Open lesson
8F8 : Iza no niandraikitra azy taorian'ny nahafaty ny Raibeny Abdoul-Mouttalib?

V8 : Maty ny Raibeny rehefa feno valo taona izy (Mpaminany S.A.W), ary ny rahalahin-dRainy antsoina hoe: Abdoul-Mouttalib no niandraikitra azy taorian'izany.

Open lesson
9F9 : Ovina izy (Mpaminany S.A.W) no nandeha voyage niaraka tamin'ny rahalahan-dRainy tany SHAMI?

V9 : Niaraka nanao voyage tamin'ny rahalahin-dRainy tany SHAMI izy teo amin'ny faha-12 taonany.

Open lesson
10F10 : Ovina nandehanany nanao voyage fanindroany?

V10 : Ny diany faharoa dia nitondra varotr’i Khadija (R.A), ary rehefa tafaverina avy any izy dia nanambady an'i Khadija (R.A), ary teo amin'ny dimy amby roapolo taona izy.

Open lesson
11F11 : Ovina no nanavao ny KAABA ry zareo Couraich?

V11 : Nanavao ny KAABA ry zareo Couraich rehefa feno 35 tao i Mpaminany (S.A.W).

Ary noraisina ho mpitsara an'ireo foko Couraich i Mpaminany (S.A.W) rehefa nifanditra ny amin'izay olona hametraka ny vato mainty izy ireo, dia nataony tao anaty lamba ilay vato, ary nasainy naka ny tendron'ny lamba ny foko tsirairay, miisa efatra ireo foko tamin'izany, ka rehefa nampiakarin'izy ireo ilay vato, dia i Mpaminany (S.A.W) no nametraka azy teo amin'ny toerany.

Open lesson
12F12 : Firy taona izy no nahazo ny faminaniana? Ary nalefa ho amin'iza?

V12 : Feno Efapolo taona izy rehefa tonga taminy ny faminaniana, ary nalefa ho amin'ny olona rehetra ho mpilaza vaovao mahafaly no sady mpampitandrina ihany koa.

Open lesson
13F13 : Inona no zavatra voalohany nanombohan'ny faminaniana?

V13 : Ny nofy marina, ary tsy nahita nofy izy afa-tsy tanteraka izany rehefa tonga ny maraina.

Open lesson
14F14 : Nanao ahoana ny toe-piainany talohan’ny faminaniana? Ary oviana no tonga voalohany taminy ny faminaniana?

V14 : Nanompo an'i Allah tao amin'ny lavabato HIRA izy ary efa fanaony izany.

Ka nidina taminy ilay faminaniana, rehefa izy tao an-davabato teo am-panaovana fanompoana.

Open lesson
15F15 : Inona ny andininy voalohany nilatsaka taminy tao amin'ny Coran?

V15 : Ilay tenin'i Allah manao hoe : (Vakio amin'ny anaran'ny Tomponao ilay nahary1). (Izay Nahary ny olombelona avy amin’ny vaingan-drà2). (vakio fa ny Tomponao dia fatra mpitsimbinana3). (izay nampianatra tamin'ny alàlan'ny penina4). (Nampianatra ny olombelona izay tsy fantany5). [Sourate Al-ALAQ : 5-1].

Open lesson
16F16 : Iza no olona voalohany nino ny faminaniany?

V16 : Tamin'ireo lehilahy : i Abou Bakri Al-Siddiq (R.A), ary tamin'ny vehivavy : i Khadija binti Khouwaylid (R.A), ary tamin'ny zazalahy : i Ali bin Abi Twalib (R.A), ary tamin'ireo notezaina : i Zaid bin Haritha (R.A), ary tamin'ny andevo : i Bilal Al-Habashi (R.A), Tso-dranon'i Allah sy fifaliany anie ho azy ireo.

Open lesson
17F17 : Nanao ahoana ny fiantsoana ho any amin'ny finoana silamo?

V17 : Natao mangingina nandritra ny telo taona teo ho eo ny fampielezana, avy eo dia nandidy azy hiantso ny olona ampahibemaso i Allah.

Open lesson
18F18 : Ahoana toe-piainan'ny Mpaminany (S.A.W) sy ireo nino azy taorian'ny fampahafantarana ampahibemaso ny fiantsoana nataony?

V18 : Tena nihoa-pefy tokoa ireo mpikomy tamin'ny fampijalina azy sy fampijalina ireo mpino silamo, farany dia nomena alàlana ireo mpino handeha hifindra monina any amin'ny AN-NAJASHIOU mpanjaka tao Ethiopie.

Ary niombin-kevitra ireo mpikomy amin'ny fampijalina sy famonoana an'ny Mpaminany (S.AW), saingy narovan'i Allah izy tamin'ny alàlan'ny fiarovana nataon'i Abou Twlaib rahalahin-drainy.

Open lesson
19F19 : Iza no maty tamin'ny taona faha-10 nahazoany faminaniana?

V19 : Naty ilay rahalahin-drainy Abou Twalib sy ny vadiny Khadija (R.A).

Open lesson
20F20 : Ovina no nitrangan'ny ISRA WAL MIRAJ?

V20 : Tamin'ny faha-50 taonany, ary tamin'io no nandiaina ilay vavaka fanompoana (Swala) in-dimy isanandro.

AL-ISRA : Fiaingana avy tao amin'ny mosquée AL-HARAM nandeha tany amin'ny mosquée AL-AQSWA.

AL-MIRAJ : Dia fiaingana avy tao amin'ny mosquée AL-AQSWA niakatra tany an-danitra ka nihafara tamin'ny SIDRATOUL-MOUNTAHA.

Open lesson
21F21 : Ahona no fomba fiantsoan'ny Mpaminany (S.A.W) ireo olona ivelan'ny Makkat?

V21 : Niantso ireo vahoakan'ny Twaif izy, ary niezaka nanao izany tamin'ny fotoana fivorian'ny olona, ka tonga ireo vahoakan'ny Madina nino an'ny Mpaminany (S.A.W), ary nifanaiky sy nanao velirano fa hiaro azy.

Open lesson
22F22 : Firy taona nipetrahany tao Makkat niantso ny olona?

V22 : Nijanona tao Makkat niantso ny olona nandritry ny 13 taona.

Open lesson
23F23 : Taiza no nandeha nifindra monina i Mpaminany (S.A.W)?

V23 : Avy any Makkat nandeha any Madina.

Open lesson
24F24 : Firy taona nijanonany tao Madina?

V24 : Folo taona.

Open lesson
25F25 : Inona avy ireo lalàna nodidian'i Allah taminy tao Madina?

V25 : Nodidian'i Allah taminy ny Zakat, ny fifehezana, ny Hadj, Ny ady masina (Jihad), ny Azan, sy ny ankoatr'izay amin'ireo lalànan'ny Islam.

Open lesson
26F26 : Inona ireo ady masina lehibe nataony?

V26 : Ady masina Badri ilay lehibe.

- Ady masina Ouhoud.

- Ady masina Al-Ahzab.

- Ady masina Fathi Makkat (fahazoana tanànan'ny Makkat).

Open lesson
27F27 : Inona ny andininy masina farany nidina tamin'ny Coran?

V27 : Ilay tenin'i Allah manao hoe : (Ary matahora ilay andro hiverenanareo any amin’i Allah, ary dia samy homena ny valin'asany avokoa ny tsirairay, ka tsy ho voambaka velively izy ireo). [Sourate-Al-baquarat : 281].

Open lesson
28F28 :Ovina no maty i Mpaminany (S.A.W)? ary firy ny taonany tamin'izany?

V28 : Maty tamin'ny volana Rabioul-Awal, tamin'ny taona faha-11 Hijria, ary teo amin'ny faha-63 taony izy tamin'izany.

Open lesson
29F29 : Tanisao iza daholo ireo vadin'ny Mpaminany (S.A.W)?

V29 : 1-Khadija Binty Khouwailidi (R.A).

2- Saouda Binty Zam'aa (R.A).

3- Aicha Binty Abi Bakri Swidiq (R.A).

4- Hafsah Binty Oumar (R.A).

5- Zainab Binty Khouzaymat (R.A).

6- Oumo Salama Hindy Binty Abi-Oumayat (R.A).

7- Oumo Habibah Ramlat Binty Abi-Soufyanne (R.A).

8- Djouwayriat Binty Al-harith (R.A).

9- Maimouna Binty Al-harith (R.A).

10- Soafiyat Binty Houyaya (R.A).

11- Zainab Binty Djahachi (R.A).

Open lesson
30F30 : Iza daholo ireo zanany?

V30 : -Ireo zanany lahy dia miisa telo :

1- Al-Quasim, ary tamin'io no niantsoana azy ho Aboul-Quassim.

2- Abdallah.

3-Ibrahim.

-Ireo zanany vavy kosa :

1-Fatima.

2-Roquaya.

3-Oumo Kolothoummou.

4-Zainab.

Ireo zanany rehetra dia azony tamin'i Khadija daholo afa-tsy i Ibrahim ihany, ary izy rehetra maty talohan'ny Mpaminany (S.A.W) afa-tsy i Fatima izay maty enim-bolana taorian'ny nahafatesany.

Open lesson
31F31 : Lazao endrika voajanahary sy ny toe-batan'ny Mpaminany (S.A.W)?

V31 : Izy dia eo anivonivo sady tsy fohy no tsy lava ihany koa fa eo anelanelany, fotsy fiodirana somary mangalatra mena ny lokony, matevina ny volombavany, tsara ny masony, somary ngeza ny vavany, ary mainty tsara ny volony, ngeza ny sorony, manitra lalandava, sy ny ankoatr'izay amin'ny endrika tsara.

Open lesson
32F32 : Inona no zavatra navelan'i Mpaminany (S.A.W) ho an'ny vahoakany?

V31 : Nametraka ny vahoakany izy (S.A.W) tamin'ny sori-dàlana fotsy mazava tsara, ny alina aminy toy ny atoandro, tsy misy miala olona amin'izany afa-tsy hoe rendrika, tsy misy zava-tsoa afa-tsy nolazainy, ary tsy misy zavatra ratsy afa-tsy nampitandreminy.

Open lesson